Taorian’ny fahavakisan’ny hopitaliben’ny Fianarantsoa, nanao ezaka ny mpitandro filaminana ka fantatra fa nisy voasambotra. Ny herinandro lasa teo, noho ny fiaraha-miasan’ny olona tsara sitra-po tamin’izy ireo, dia roalahy nivarotra fitaovana informatika mandehandeha no tra-tehaka, ary mbola hita teny amin’izy ireo ny sasany tamin’ireo entana halatra very, izay mbola tsy lafo nitadiavana mpividy, hoy ny vaovao. Voalaza moa fa mpibizina “ordi” ry zalahy ireo. Raha ny vaovao voaray, dia in-telo nifanesy nidiran’ny jiolahy an-keriny ny hôpitalibe ao Tambohobe Fianarantsoa, ka lasibatra foana ireo solosaina hoentina mampihodina sy hikarakarana taratasy eo anivon’ity hôpitaly ity. Tamin’ny fiandohan’ny volana janoary lasa teo no nisy namaky voalohany ity tobim-pahasalamam-bahoaka lehibe ity, ka solosaina iray no very. Herinandro vitsy taorian’izay dia nanao tampody fohy indray ireo jiolahy nibata solosaina niaraka amin’ ireo kojakoja sy fitaovana lafo vidy mora havadika vola no very, ary ny 7 martsa lasa teo, nisy namaky fanintelony indray ity hôpitaly ity, ary mbola solosaina hatrany no nobatain’ireo olon-dratsy.
Eric Manitrisa
Fianarantsoa : Vaky ny hopitalibe, roalahy voasambotra
Articles qui pourraient vous intéresser