- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Zazalahy 13 taona nihazakazaka maraina tsy hita popoka

Fianarantsoa : Zazalahy 13 taona nihazakazaka maraina tsy hita popoka

Nanao tohivakana tato ho ato ny fahaverezan’ olona tamina faritra maro. Tao an-drenivohitry Betsileo, dia tovolahy kely iray vao 13 taona monja, zanaka ramatoa iray mananontena mpanampy an-trano, monina ao amin’ny fokontany Sahalava Fianarantsoa no tsy hita popoka nanomboka ny talata naraina teo. Na dia teo ny fikarohana samihafa natao an’ity zazalahy mpiservy lamesa salama saina tsara ity dia tsy nahitam-bokatra izany. Raha ny vaovao voaray dia ny marain’ny talata 10 janoary tamin’ny 5 ora sy folo no nivoaka ny trano no nahitan-dreniny farany an’i R.F, nandeha nihazakazaka vao maraina toy ny fanaony isan’andro, dia tany tsy tafody an-trano intsony, ary tsy fantatra na maty na velona hatramin’izao ity tovolahy kely zarazara hoditra , tso-bolo, manifinify vatana nanao ambony akanjo mena mitopy mavokely sy pataloha fitondra manao fanatanjahantena ity. 

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici