- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFianaratsoa : Lehilahy mbola mpianatra tratra nangalatra moto

Fianaratsoa : Lehilahy mbola mpianatra tratra nangalatra moto

Fahantrana sa efa asa fanao mihitsy! Lehilahy roa, ny iray 24 taona mbola mpianatra, ny iray 31 taona « mécanicien », no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny « Commissariat Central Fianarantsoa noho ny resaka halatra Moto, ny alatsinainy teo. Io alatsinainy io tamin’ny 06 ora hariva, tao Ampasambazaha Finarantsoa, no niseho ny halatra. Moto scooter an’ny lehilahy iray mipetraka ao Antanifotsy Fianarantsoa tampon-tanàna no nalain’ireo olon-dratsy. Hita tao Manaotsara, tao amin’ny tranon’ilay mpianatra, ilay moto. Voatana vonjimaika ao amin’ny « Commissariat Central » izy roa lahy hanaovana fanadihadiana. Anisan’ny asa ratsy mirongatra any an-toerana ny halatra moto, ary izao nahitam-bokany izao. Amin’ny faritra maro no isehoan’izany, indrindra ny eto an-drenivohitra. Maro ihany koa ny efa tratra raha ny teto Antananarivo manokana, saingy mbola maro ihany ny tranga. Isan-kerinandro no ahazoana fitarainana na amin’ny polisy na amin’ny zandary. Toy izany koa ny antso vonjy amin’ny tambajotra sosialy toy ny Facebook. Fitandremana no anentanan’ny mpitandro filaminana ny rehetra. Tsy kely lalana ny ratsy ary mahazo vahana amin’izao vaninandro fety izao. Anjaran’ny tsirairay ny mandray fepetra mitandrina ny fananany na manao ny asany aza ny mpitandro filaminana.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici