- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFiangonana Fjkm Betela Tanambao V : Fiaraha-mivavaka ho fangataham-pitahiana hoan’ny firenena

Fiangonana Fjkm Betela Tanambao V : Fiaraha-mivavaka ho fangataham-pitahiana hoan’ny firenena

Ho fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona ho avy izao, dia nisy ny fiaraha-mivavaka natao tao amin’ny fiangonana Betela Tanambao V, nangatam-pitahiana hoan’ny firenena noho izao tsingerin-taona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena izao. Notarihan’ny ben’ny tanàna sy ireo filoham-piangonana eto Toamasina nahitana ny SE kardinaly Tsarahazana Désiré ny lanonana, Tao amin’ny fiangonana Fjkm Betela Tanambao V no nanaovana izany, notronin’ireo nasaina manokana. Nandritra io fotoam-bavaka iraisam-pinoana ho fankalazana ny faha-60 niverenan’ny fahaleovantena izao, no nilazan’ny SE kardinaly Tsarahazana Désiré fa « mirary soa ny Malagasy rehetra amin’izao fetim-pirenena izao…Hikatsahantsika  ny soa iombonana…Tsy hifanilika fa hifankatia bebe kokoa sy hikarakara marina ny vahoaka ». Nohamafisin’ny kardinaly hatrany, fa « Firenena mino an’Andriamanitra ny firenena malagasy, ka hositraniny ny valanaretina Covid-19 mahazo antsika izao. Aoka hatahotra an’Andriamanitra isika ka tsy hifanilikilika fa hifanampy kosa… ». Tsy nohadinoin’ny SE Tsarahazana Désiré nandritra ny lahateniny koa ny nisaotra ireo mpitsabo misahana ireo mararin’ ny covid-19 eto amintsika ireo, ka  nitondrany fisaorana manokana ho azy ireo noho ny ady mafy natrehany sy mbola hatrehany eto amintsika. Tsy nohadinoin’ny Kardinaly koa  ny mpitandro ny filaminana amin’ny adidy masina sahanin’izy ireo amin’ny fiarovana ny vahoaka malagasy amin’ity valanaretina ity. Izao fisian’ny valanaretina izao no hampisehoantsika marina fa mpifankatia isika, ka mifanohana ao anatin’ny sarotra. Ny tanjona dia hiara-kandresy ny coronavirus  isika tsy ho ela amin’izao ady ataontsika  izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici