“Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra … Ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra.” Io tenin’ny Soratra masina io no entin’ny fiangonana Rhefi (Rhema fanafahana international) hankalazana ny faha-18 taona niorenany, izay ho marihina amin’ny fotoam-bavaka lehibe ao amin’ny colesium Antsombe ny 13 Aogositra izao. Ho fanomanana izany dia nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foiben’ity fianagonana ity eto Madagasikara etsy Androndrakely ny komity mpikarakara ny hetsika izay notarihin’ny filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny fikambanana, ny pasitora Randrianaivoravelona Adolph ny sabotsy lasa teo. Nandritra izany no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’io komitin’ny faha-18 taona io. Hetsika maro no homanina amin’izany izay hatomboka tsy ho ela. Ankoatry ny fotoam-bavaka izay iarahan’ireo mpino sy ireo olom-boahosotra rehetra manerana ny Nosy midera sy mitalaho amin’Andriamanitra ny hitahiana ny hoavin’i Madagasikara, dia hisy ireo asa-sosialy maro izay hanampiana ny mpiara-belona tsy hanavahana finoana sy antokom-pivavahana. Hotanterahina mandritra izany ny fizarana sakafo sy ny ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavan’andro hoan’ireo sokajin’olona heverina fa marefo ara-pivelomana. Samy hanao izany avokoa ireo fiangonana Rhefi miisa 200 mielim-patrana manerana ny Nosy. Tsiahivina fa mahatratra 60 000 isa ankehitriny ny mpino ao amin’ity antokom-pinoana ity izay ahitana mpitandrina 600. Tsara ny manamarika fa ny anarana hoe Rhema dia nalaina tamin’ny teny grika izay midika hoe “tenin’Andriamanitra manokana ho anao”. Notsipihan’ny pasitora Randrianaivoravelona Adolph manokana io mba hanentanana ny rehetra hifantoka tanteraka amin’izay voalazan’ny Baiboly mandritra izao fotoam-pakalazana izao.
T.M.