- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiangonana Rhéfi : Mpino  50.000 manerana ny Nosy, ho avy etsy amin’ny Coliseum

Fiangonana Rhéfi : Mpino  50.000 manerana ny Nosy, ho avy etsy amin’ny Coliseum

Ao anatin’ny fankalazàna ny faha-18 taona nijoroany teto Madagasikara, nanomana hetsika goavam-be etsy amin’ny Coliseum Antsojombe ny fiangonana Rhéfi, ny faha-13 ny volana aogositra ho avy izao. Ho avy eny an-toerana avokoa ireo mpino manerana ny Nosy, ka olona manodidina ny dimy alina any ho any no andrasana ho avy eny an-toerana. Vinavinaina ho amin’ny alatsinainy na talata ho avy izao izy ireo no ho tonga eto an-drenivohitra.  Efa vonona ny fanomanana rehetra, raha ny filazan’ireo mpikarakara, Pst Randrianaivoravelona Adolphe, filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Rhéfi. Ny fandraisana an-tanana izany olona an’alin-kisa izany, toy ny trano fandraisana ireo avy any amin’ny faritra, izay nomena safidy manokana na handeha any amin’ny trano fandraisam-bahiny na any amin’ny fiangonana. Tsy misy atahorana ihany koa ny fitandroana ny filaminana satria misy ny fiaraha-miasa amin’ny pôlisim-pirenena sy mpiambina sivily, izay nanome tanana ho amin’izany fotoan-dehibe izany.

« Vavaka fandravàna sakana » moa no lohahevitra hobanjinina amin’io fotoana io, ary hanasàna ny rehetra ho avy. Tsy misy fanavahana, hoy ny tompon’andraikitra, fa hanasàna ny vahoaka iray manontolo, ivelan’ny fiangonana ihany koa, ary na olon-tsotra na manam-pahefana na mpanao politika.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici