- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiangonana vaky : Naleviny ny entana halatra

Fiangonana vaky : Naleviny ny entana halatra

 Toa efa fantampantany fa tsy maintsy handeha any aminy ny famotorana. Naleviny tao ambany tany avokoa ireo entana nangalariny nandritry ny famakiana ny fiangonana Ekar Borromér tao Ambatomena-Fianarantsoa. Ny alin’ny zoma hifoha asabotsy tamin’ny herinandro lasa teo no nisian’ity famakiana toerana masina ity. Lasa tao ny fitaovana maro fanamafisam-peo. Nanomboka teo koa ny fanadihadiana izay nosokafan’ny polisy foibe ao Ampasambazaha. Herinandro katroka taty aoriana, hita ilay mpanao ratsy. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Mokana ary tao an-trano fonenany ihany no sarona ilay rangahy. Nandritry ny fihainoana azy dia niaiky ny helony izy ary nanoro izay toerana nanafenany ireo entana maro halatra. Nangadiana ny tany ary dia hita tao avokoa ireo toa ny vata maro bokotra sy fanamafisam-peo isan-karazany. Tafaverina soa aman-tsara amin’ny fiangonana ny entana. Tsy vita teo anefa ny raharaha. « Mbola mitohy fikarohana ny naman’ity tovolahy ity izay miisa roa » raha araka ny fanamarihan’ny lehiben’ny komisaria Ampasambazaha.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici