- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversFiangonana zandriny : Pasitera nanolana, naiditra eny Tsiafahy

Fiangonana zandriny : Pasitera nanolana, naiditra eny Tsiafahy

Mpitarika fiangonana iray eny Ambohijanahary-Talatamaty no naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy noho ny fanodinkodinana sy fanolanana zaza tsy ampy taona. Fiangonana zandriny izy io raha araka ny fanamarihana azo avy amin’ny fikambanana Hafari Malagasy, izay nanampy betsaka ny fianakavian’ilay zaza tamin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy momba ny fanenjehana. Zaza 14 taona izay ao amin’ny kilasy fahadimy (T5) eo anivon’ny EPP iray ity niharan’ny tsy mety nataon’ilay pasitera ity. Sahirana ny ray aman-dreniny, raha araka ny fanazavana azo, ary nanatona an’ilay fiangonana. “Nilaza ilay pasitera fa hotezainy io zazavavy io,noho izy tsy niteraka vavy”, hoy ihany ny Hafari Malagasy. Tao anatin’izay anefa dia nanaovany firaisana ara-nofo ary nitondra vohoka taminy. Ankehitriny dia efa efa-bolana ilay zazakely teraka. Tsy takona nafenina intsony ny zava-nisy saingy mbola natahotra ny ray aman-drenin’ilay zaza voaolana. Nanatona ny fikambanana Hafari izy ireo ary nampita ny vaovao. Teo no niainga ny rehetra. Notoriana ilay Pasitera ary nitohy tamin’ny fisamborana azy izany. Nentina teny amin’ny mpitsara momba ny raharaha mahakasika ny zaza tsy ampy taona ary taorian’ny fakana am-bavany azy dia naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy. Amin’ny 3 aprily ho avy izao ny fanadihadiana ifotony an’ity Pasitera ity, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser