Telo alina, telo andro, no nikarohana tsy an-kijanona ny Kly Rakotomiliarison Hery, mpanamory ilay angidimby niharan-doza tao amin’ny fari-dranomasin’i Mahambo ny harivan’ny alatsinainy teo. Omaly tokony ho tamin’ny telo ora latsaka folo tolakandro no hitan’ireo mpitily teny amin’ny habakabaka, nandry teo amin’ny tora-pasika iray, teo amin’ny toerana antsoina hoe Andrafeta, 15 kilaometatra avaratr’i Foulpointe ity mpanamory ity. Navily avy hatrany tany an-toerana ireo mpamonjy rehetra. Saingy indrisy fa efa vatana mangatsiaka sisa no naloan’ny ranomasina teo amin’io toerana. Manamboninahitra ambony anankiroa araka izany no indray namoy ny ainy tao anatin’ity lozam-piaramanidina ity. Angidimby izay nitondra ireo tomponandraiki-panjakana ambony, fantatra fa avy namita iraka, nijery ifotony sy nandrindra ireo hetsika rehetra hoenti-manavotra ireo olona dobo an-drano, noho ny faharendrehan’ilay sambo M/s Francia tao Soanierana Ivongo ny alatsinainy teo. Ny Kly Andrianambina Olivier, Talen’ny fiarovana eo anivon’ny Primatiora, izay hita ny alarobia lasa teo, valo kilaometatra avaratr’i Fenerivo Atsinanana, ary ny mpanamory izany, ny Kly Rakotomialiarison Hery. Roa kosa no avotra soa aman-tsara, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Serge Géllé, ary ilay mpikirakira teknika tao amin’ilay angidimby, ny Slt Jimmy Laitsara Andrianarison. Izy mianaka ireto izay, avotra sy velona aina soa aman-tsara, adim-pamataranandro maromaro taorian’ilay loza. Efa samy nahazo fitsaboana avokoa moa ireto farany. Ny Seg aza dia efa nandray ny asany, araka ny efa nambarany, 24 ora monja taorian’ny nahaavotra azy. Raha ny mahakasika ny vatana mangatsiakan’ireto manamboninahitra ambony ireto kosa dia fantatra fa samy omem-boninahitra farany aty an-drenivohitra avokoa. Ny an’ny Kly Andrianambinina Olivier, moa izay notanterahina omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Tonga nanome voninahitra farany izany mahery fon’ny firenena izany ny Filoham-pirenena ary nanolotra mariboninahitra. Taorian’ny fanaovam-belona farany azy ara-miaramila dia nentina nihazo ny tanindrazany any amin’ny faritra Avaratra iny ny razana ary efa tonga tao Antsiranana ihany omaly. Ny an’ny Kly Rakotomiliarison Hery kosa dia fantatra fa hatao veloma farany ao amin’ny toby Base 213 etsy Ivato no nofo mangatsiakany. Izy rahateo moa no kaomandin’izany toby miaramila ary anisan’ireo manamboninahitra ambony, zandriny indrindra lehibena vondron-kery eo anivon’ny Tafika. Izahay eto anivon’ny Midi Madagasikara dia miondrika am-panajàna manoloana ny vata-mangatsiakan’ireto manamboninahitra, mahery fo ireto ary maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviam-ben’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny fianakavian’ireo niharam-boina.
m.L