- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFianjerana tamin’ny angidimby : Hita ny vatana mangatsiakan’ny Kly Andrianambinina Olivier

Fianjerana tamin’ny angidimby : Hita ny vatana mangatsiakan’ny Kly Andrianambinina Olivier

Omaly tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany ho any no hita ny vatana mangatsiakan’ny Kly Andrianambinina Olivier, Talen’ny fiarovana eo anivon’ny Primatiora, isan’ireo olona roa mbola karohina taorian’ilay fianjeran’ilay angidimby nitondra azy ireo, ny alatsinainy hariva teo, tany amin’ny fari-dranomasin’i Mahambo. Araka ny fampitam-baovao ofisialy navoakan’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena dia tany amin’ny avaratry Fenerivo Est no nahitan’ireo mpikaroka azy.

 

Etsy andanin’izay, mitohy tsy an-kijanona kosa ny fikarohana an’ny Kly Rakotomiliarison Hery, mpanamory. Hatramin’ny omaly hariva nanoratanay, dia ny entana sy fitaovany aloha no hita, niaraka tamin’ireo pitsopitsony madinidinika tamin’ilay angidimby. Hitan’ireo miaramila mpikaroka, tao amin’ny vinany (fihaonan’ny ranomasina sy ranomamy) tao Ampasina Maningory, 15 kilaometatra avaratr’i Fenoarivo Atsinanana indray izany.  Hatramin’ny fotoana nitrangan’ny loza tokoa moa dia tsy mitsaha-mitombo ny fanetsehana ireo hery sy fitaovana rehetra, ho enti-manavotra ireto manamboninahitra ambony ireto any amin’iny faritra iny. Miasa andro sy alina, tsy misy fiatona mihitsy ireo mpikaroka amin’izany. Raha ny fantatra dia « mitarika ny fikarohana any an-toerana ny Jeneraly Minisitry ny fiarovam-pirenena miaraka amin’ireo Tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimaria sy ny Polisim-pirenena ary ireo Sampandraharaham-panjakana maro. Ireo fokonolona manodidina an’i Mahambo sy ireo mpanjono manamorona ny ranomasina dia samy miara-misalahy avokoa ».

 

Ho an’ireo roa lahy mianaka avotra soa aman-tsara kosa, ny Jly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandamariam-pirenena sy ilay Adjudant-chef, mpikirakira teknika tamin’ilay angidim-by, dia efa manaraka fitsaboana sy arahi-maso ara-pahasalamana eto an-drenivohitra izy ireo. « Efa azo lazaina fa salama tsara aho saingy ny mpitsabo no mbola milaza fa ao anatin’ny fanaraha-maso, mandritry ny 48 ora aloha aho. Mitohy hatrany ny ezaka ataontsika amin’ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana ary raha vao tafaverina monja ihany koa laharan’ny finday dia  mamaly antso aho » hoy ny Jly Serge Géllé. Etsy andanin’izay, ambony ny fanantenany ny amin’ny ahitàna ireo namany roa lahy, tao anatin’ilay angimby. « Manam-pinoana foana isika ary hivavahana izy ireo ho hita any ho any … eny amin’ny toram-pasika eny » hoy izy.

m.L

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici