
Ankoatra ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Gezani, tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao dia mbola nampitondra taikaitra ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa ihany izany rivo-doza izany. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, fiara tsy mataho-dalana iray no nentin’ny rano. Vokany olona telo no fantatra fa namoy ny ainy, teo amin’ny toerana fantatra amin’ny hoe Sahavalaina, roapolo kilaometatra mahery eo ho eo tsy hiditra ny tananan’i Brickaville raha avy any Toamasina. Izany dia noho ny fiakaran’ny rano avy eo Roranga ary nanondraka tanteraka ny arabe.
Araka ny fanazavana azo dia handeha hiantsinanana ity fiara ity. Tamin’ny alin’ny talata izay nisian’ny loza io anefa, dia mbola hatrany am-balahana mahery ny haavon’ny rano teo amin’ny arabe. Tsy vitan’izay fa mahery ihany koa ny onjany. Niditra ihany anefa io fiara tsy mataho-dalana io, mety nahita ireo fiara hafa mitovy taminy afaka, kanjo tsy natohitra onjan’ny rano ary lasa nivarina tany an-drenirano. Nanomboka ny alin’iny ihany ny fikarohana rehetra nataon’ireo tompon’andraikitra. Dimy mianaka no tao anatin’io fiara ka ny olona roa : mpamily sy ny iray teo amin’ny « devant » no avotra soa aman-tsara. Tsy hita popoka kosa ny zaza anankiroa, niaraka tamin’ny vehivavy lehibe iray. Nanomboka teo ny fikarohana azy. Raha ny nambaran’ny zandary dia omaly maraina teo no hita ny vatana mangatsiakan’izy ireo, izay efa natsingevan’ny rano. Efa voasintona sy tafakatra aty an-tanety ihany koa ilay fiara.
Maro dia maro tokoa ireo fahatapahan-dalana nisy tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, vokatry ny rano niakatra nateraky ny fandalovan’ilay rivo-doza Gezani, ankoatra ny hazo tapaka sy ny andrin-jiro nianjera moa. Ho an’izay fiarakaran’ny rano izay dia manomboka eo amin’ny « sarimasina » ny tapaka voalohany ny lalana, raha avy any Toamasina, hiakatra aty an-drenivohitra. Manaraka an’izay ny hiditra ny tananan’i Mellville, izay tena lava dia lava tokoa, satria manomboka aty amin’ny « plaque » ka hatrany amin’ny tetezan’i Fanandrana, ary ny farany dia io nahafaty olona teny Sahavalaina, Brickaville io. Raha ny omaly manokana dia nisy efa nidina ny rano tamin’ireo faritra sasantsany ka nahafahan’ny fifamoivoizana niverina indray.
m.L




