- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Ambohitrimanjaka : Fiara 4x4 nanidina ary nivarina tao Ikopa

Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Fiara 4×4 nanidina ary nivarina tao Ikopa

Ny nampiakarana ilay fiara niharan-doza avy ao Ikopa.

Lozam-pifamoivoizana nahatsiravina, nahavalalanina ny maro ihany no nitranga tamin’iny lalam-baovaon’Ambohitrimanjaka, nialoha kely ny tsy ahatongavana ny « Art malagasy » : fiara tsy mataho-dalana iray, marika Rexton no nivarina tao Ikopa omaly maraina. Araka ny angom-baovao azo dia tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any no nitranga ny loza. Avy any Ambohitrimanjaka avy any izy io, somary nandeha mafy ihany. Tsy fantatra fa nisy olona ara-teknika fa tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara ary nivily niankavanana tampoka, nihanika ilay fefiloha avo, manasaraka ny arabe sy ny reniranon’Ikopa iny, somary nanidina mihitsy hoy ireo nanatri-maso, avy eo niakarapoka tamin’ireo haram-bato tao ambadika ary niafara tanaty rano nony avy eo. Avotra soa aman-tsara ihany ireo tao anatiny, naratra ary efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Ilay fiara kosa, omaly antoandro, no nosokirina sy nampiakarina avy ao anaty rano.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici