- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFiara anaty fitohanana no lasibatra : Roalahy mitam-basy sy mitaingina scooter manendaka

Fiara anaty fitohanana no lasibatra : Roalahy mitam-basy sy mitaingina scooter manendaka

Anaty fitohanana no hanatontosan’izy ireo ny asaratsiny. Ambanany  basy PA ireo olona ao anatin’ny fiara ary rahonany ho faty. Tsy misy azo natao, fa mba ho fiarovana ny aina dia narahina ny tenin’ireo jiolahy. Nomena avokoa ny paoketra, ny finday sy ny firavaka niambozonana. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro no nitrangan’izany asan-jiolahy izany. Nitaingina scooter ireo roa lahy ary tsy nisy nisaron-tava raha araka ny fanazavan’izay nahita. Ny indro kely dia nidona tamin’ny fiara hafa ary nianjera ilay scooter nony avy teo. Izany rehetra izany dia teo imason’ny olona rehetra izay tsy afa-nihetsika tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana. Noho ny basy teny an-tànan’ireo roalahy anefa, dia tsy nisy sahy nihetsika nanohitra azy ireo. Vokatr’izany dia afaka nanohy ny làlany hatrany ireo mpanafika anaty fitohanana. Efa lasa lavidavitra ireo vao samy nivoaka sy nitady hevitra ny hampandrenesana haingana ny mpitandro ny filaminana. Raha hiverenana ny zava-nitranga tao anatin’ny roa volana, dia tsikaritra fa fomba iray fanaon’ireo olon-dratsy indray izany ny fanendahana anaty fitohanana. Tranga iray izay isan’ny nanamarika ny mpanara-baovao ny fisian’ny fanafihana olona tao anaty taxi-be, ny iray tetsy Andohatapenaka ary ny iray kosa tetsy Ambalavao-Isotry. Manodidina ny enina eo hatrany ny isan’ireo mpanafika ary mandrahona avy hatrany amin’ny basy , dia maka izay entana tian’izy ireo eny amin’ny mpandeha. Mitovitovy tamin’izay ihany koa, tao anatin’ny vanim-potoana mitovy hatrany, ilay tetsy Antanimena, saingy teo indray dia asidra no natsipy teny amin’ny mpandeha. Ankoatr’izay dia mbola tao anaty fitohanana ihany koa no nisehoan’ilay fanafihana lehilahy iray, mpitandro ny filaminana aza izy io, tao ambany tonelin’Ambohidahy. Novakiana ny fiarany dia nambanana tamin’ny fitaovam-piadiana mba hahazoana ny finday Iphone tao anaty fiarany. Mbola mitovitovy amin’izany ihany koa ilay tetsy Ankadifotsy, nidiran’ny jiolahy tao anatin’ny fiarakaretsaka izay nitondra ramatoa iray hamonjy an’Ambodivona ary nitondra vola tao anaty sakaosy. Nambanana basy, tsy natao hitan’ny mason’ny olona izy ary noterena tsy hikiakiaka, dia azo ny vola teny aminy. Nivoaka mora fotsiny ireo olon-dratsy rehefa lasa alohalaha kely ilay fiara, toa ireny mpandeha tsotra miala amin’ny taxi ireny. Fepetra tsotra azon’ny mpamily ampiharina ny manidy fitaratra sy varavarana na aiza na aiza aleha amin’izao fotoana. Saingy matetika ihany koa ny ankamaroan’ny fiara, dia tsy misy ireny « climatiseur » ireny, hany ka mety ho tsemboka be ny olona  ao anatiny. Raha sendra mba misy indray, dia mety misy akony any amin’ny fandanian-tsolika ny fampiasana azy ireny. Dikan ‘izany, tsy maintsy ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana hatrany no vahaolana voalohany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser