
Ela ny ela ! Voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka an’habaka sy fisolokiana ireo mpivarotra fiara morabe (kanefa tsy misy akory), nalaza eraky ny FB, nandritry ny taona maro. Roa lahy izy ireo, tra-tehaka tetsy Sabotsy Namehana, ny sabotsy lasa teo. Asa raha mbola misy namany fa efa ao anaty ny famotorana sy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra. Izy roa lahy ireto rahateo, efa notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, mialoha ny hanolorana azy ireo eny anivon’ny Fitsaràna, anio, raha tsy misy fiovàna.
Raha tsiahiviana tokoa dia efa maro ny fitairanana voarain’ireo mpitandro filaminana mahakasika azy ireo. Saingy mahay miafina ireto olon-dratsy ireto ary manohy hatrany ny asa ratsiny izy ireo, toa tsy misy tahotra akory. Efa tsy toko tsy forohana ihany koa ny volan’ireo efa lasibatra lasan’izy ireo. Mazava ho azy satria dia mahazo hatrany hatrany ny haratony, eny fa na dia efa tsy tambo isaina intsony aza ny fampitandremana ataon’ny hafa. Ny antony dia tsotra dia tsotra : maro ireo te hahazo zavatra tsara sy lafatra (fiarakodia na môtô eto no resaka) amin’ny vidiny tsy tokony ho izy sy varoboba. Kanjo fitaka bevava no ao ambadika, amin’ny entana tsy misy akory satria vao lasa ny vodiondrim-barotra dia iny fa manjavona tsy hita intsony ihany koa ireo mpivarotra. « Manao ranty mampiseho fiara lazaina fa amidy amin’ny vidiny tena mirary ireto mpisoloky ao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ireto (…) Asainy mandefa vola mba hatao vidin-tsolika na koa asainy mandefa vola hatao vodiondrim-barotra kanjo vonoiny ilay laharana finday nampiasainy ary « bloqué »-ny tsy hahita ilay anarana anaty facebook intsony ilay olona mandefa vola rehefa azony». Voalaza fa « nandritra ny volana maro no efa nikarohana azy ireo noho ireto olon-dratsy ireto mampiasa laharana finday maro ary vonoiny izay laharana nahazoany vola », raha ny vaovaon’ny pôlisy hatrany.
m.L