Amin’ny ora fivoahan’ny mpiasa mihitsy no nitranga ny lozam-pifamoivoizana omaly. Manodidina ny tamin’ny dimy ora hariva, fiara kamiao iray sy fiara tsy mataho-dàlana an’ny orinasam-pifandraisan-davitra iray hafa ary koa fiara an’olon-tsotra no hita maso fa nidona. Ny fanadihadiana kosa no hamaritra ny antsipiriany, toa ny hoe iza no nandona voalohany ary inona no mety ho antony. Tsy nisy nanetsika ny azy ny telo tonta fa niandry ny fijerena ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana. Vokatr’izany dia nihitsoka tanteraka Ankorondrano nandritry ny fotoana ela. Tsy vitan’izany fa vetivety dia nihitatra tamin’ny manodidina azy izany satria betsaka ny avy aty amin’ny Rocade roa tonta no tsy maintsy mihazo an’Ankorondrano avy eo. Mila fandinihina lalina ho an’izay Ben’ny Tanàna manaraka eo ny fandrindràna ny làlan’Antananarivo satria sady sempotra tanteraka no be lozam-pifampivoizana. Samy efa nitondratondra vahaolana avokoa izay teo fa samy niala maina koa.
D.R