- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFiara namono olona tetsy alarobia : Mbola mitaky fanadihadiana fanampiny ny fitsarana

Fiara namono olona tetsy alarobia : Mbola mitaky fanadihadiana fanampiny ny fitsarana

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay mpamily nahavanon-doza, nifaoka olona dimy, ary nahafaty olona roa tetsy Alarobia Ivandry, ny alin’ny alahady lasa teo. Noho ny tsy mbola fahafenoan’ny fanadihadiana anefa, fanadihadiana ireo fianakaviana niharam-boina, dia nahemotr’ireo mpitsara mpanao famotorana izany fihenoana azy izany, ka nanome 24 ora ho an’ireo mpanao famotorana izy ireo hamenoana izany. Naverina notazomina indray tetsy amin’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana araka izany ity mpamily ity. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ny tompon’andraikitra, omaly dia fantatra tokoa fa mamo ity tovolahy ity, ary niaiky izany rahateo teo anatrehan’ireo mpanao famotorana. Araka izany, famonoana olona tsy fanahy iniana miampy fitondràna fiara mamo no hanenjehana azy. Raha ny tokony ho izy dia fanagadrana telo ka hatramin’ny roa taona, miampy lamandy hatrany amin’ny enina tapitrisa ariary no miandry azy, araka andininy faha-319 ao amin’ny fehezan-dalana famaizana. Ambonin’izay ny fisintomana ny fahazoan-dalana mamily sy ny fanagiazana ilay fiara, araka ny lalana laharana 2014-037 mifehy ny fifamoivozana, ao amin’ny andininy faha- L7.1-1. Raha ny mikasika ny fisiana fitaovam-piadiana tao anatin’ity fiara nahavon-doza ity dia nilaza ireo tompon’andraikitra fa hatreto dia mbola voamarina aloha ny mahakasika izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici