- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMiantsoarivo Imeritsiatosika : Fiara nampiahiahy, tsy manan-tompo, hitan’ny fokonolona

Miantsoarivo Imeritsiatosika : Fiara nampiahiahy, tsy manan-tompo, hitan’ny fokonolona

Simba dia navela tany … toa sanatria nariana !

Efa ho telo herinandro teo ity fiara tsy mataho-dalana iray, marika Hyundai Terracan no nipetra-potsiny teo amoron-dalana, tsy fantatra tompo. Teo amin’ny lalana RIP 71, avaratry ny tanan’Ambohitraimbola, fokontany sy kaominina Miantsoarivo, distrika Arivonimamo. Tsy misy olona, tsy fantatra ny tompony. Noheverin’ny olona fa an’ireo mpamonjy famadihana izy ireo ka tsy nisy niraika firy. Tapitra ihany anefa izany famadihana izany ary efa andro maromaro no nivalona fa tsy nisy nikitika ilay fiara, ankoatr’ireo mpangalatra, izay efa namaky ny fitaratra ary naka ny « autoradio » sy ny « batterie ». Voatery nampandre ny zandary araka izany ireo tompon’andraikitra, teo anatrehan’ny tranga izay nampahiahy ihany. Heverina mantsy fa mety ho fiara avy nanaovan’olona asa ratsy na fiara avy nangalarina dia napetraka fotsiny tany an-tany ho any. Rehefa nandeha anefa ny famotorana sy ny fikarohana izay mety ho tompony dia fantatra ihany taty afara. Voalaza fa fiara simba an-dalana izy io ary navelan’ity farany teo fotsiny, tsy notenenina tamin’ireo fokonolona akory. Toe-javatra izay mahagaga ihany, raha fananana miteti-bidy amam-polony tapitrisa maro kanefa navela fotsiny tany alavitra tany, tsy notopaza-maso akory nandritry ny telo herinandro … Na izany na tsy izany aza anefa, efa nampandrenesina io tompony io ary nandray fepetra ny hiambina azy kosa ny fokonolona sy ireo mpitandro filaminana mandram-piandry ny fahatongavany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici