- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiara nitondra vola : Efatra tamin’ny mpanafika eny Tsiafahy

Fiara nitondra vola : Efatra tamin’ny mpanafika eny Tsiafahy

Ny asabotsy teo no natolotra ny fampanoavana ireo olona dimy izay voarohirohy ho nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana tetsy Anjohy. Nidoboka eny Tsiafahy ny efatra tamin’izy ireo raha eny Antanimora kosa ny fahadimy farany. Izy ireo, raha tsiahivina fohy, dia fiara andeha hanatitra vola any amin’ny banky no notafihan’izy ireo. Nampiasa basy, fiara ary kodiaran-droa ireo olon-dratsy nandritry ny fandrobàna. Tsy afa-nanohitra ireo tao anaty fiara, eny fa na ireo mpitandro ny filaminana miisa roa tao anatiny izay niandraikitra ny fiambenana aza. Lasan’ireo jiolahy hatramin’ny basy teny amin’ireo mpiambina. Mbola misy olona karohina amin’ity raharaha ity ary raha ny fanadihadiana mandeha dia misy olona mbola tokony mifonja ao anatin’izany. Vola manodidina ny 400 tapitrisa ariary no lasa ary efa nifampizaràna no voasambotra tsirairay ireo olon-dratsy. Ny polisy misahana ny heloka bevava no nanatontosa ny fikarohana sy fisamborana. Rehefa nandeha teny ny fanadihadiana dia nisy mpitam-bola iray koa voasambotra. Io farany indray dia tsy dia misy hidirany loatra tamin’ny fanafihana, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana, fa kosa nijapy ilay fanafihana izy mba hanoramana ny fanodikodinam-bola nataony tao amin’ny orinasa niasany izay sady tompon’ny vola voatafika koa. Io indray dia eny Antanimora no miandry ny fitsaràna azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici