- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFiaraben’ny “pompier” hamonjy trano may : Nobahanana fiara nentina teratany vahiny

Fiaraben’ny “pompier” hamonjy trano may : Nobahanana fiara nentina teratany vahiny

Ny alin’ny alarobia lasa teo, nisehoana haintrano mahatsiravina teny amin’iny faritra Saropody iny. Trano hazo no kilan’ny afo ary aina iray no nafoy tao anatin’izany. Nahazo antso ireo mpamonjy voina teny Tsaralalàna ka namonjy avy hatrany ity zava-doza ity. Teny an-dalana anefa, nisy fiaraben’ny mpamonjy voina iray nikasoka tamina fiara tsy mataho-dalana iray nentin’ny teratany vahiny, izay raha ny fanazavàna azo dia tompona orinasa lehibe iray eto amintsika. Tezitra tamin’izany ity farany ary dia nobahanany ilay fiarabe, izay tokony handeha hamonjy ilay trano may. Tsy vitan’ny fibahanana ity fiaran’ny mpamonjy voina, izay tokony hamonjy ny ain’ny mpiray tanindrazana aminy fa mbola tonga hatramin’ny rahom-bava sy esoeson-teny rehetra. “Sarotiny amin’ny fiarany izay novidiana 200.000 euros fa tsy ohatra  ny an’ny mpamonjy voina 20 millions io, ary mahavidy 10 ohatran’io izy”. Efa nisy fampahafantarana izao raharaha izao eny anivon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy nataon’ny avy eo anivon’ny mpamonjy voina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici