Noraisin’ ny Jeneraly Ravalomanana Richard, komandin’ny Zandarimariam-pirenena tao amin’ny Toby Ratsimandrava, ireo zandary handrato fiofanana any Caméroun, mikasika ny “Gestion démocratique de foule” sy ny “Maintien de l’ordre public”, izany hoe ny ady amin’ny asa fanakorontanana sy ny firotsahana an-dalam-be.
Miisa 32 mirahalahy ireo zandary handray anjara amin’ity fiofanana ity ; tarihin’ny Colonel Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel, Komandin’ny Hery Vonjy Taitra ny Zandarimariam-pirenena, ka 03 manamboninahitra, 29 manamboninahitra lefitra izay avy ao amin’ny FIGN, ESCAPARA ary ny CFUM.
Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eropeana no nahafahana nanatontosa ity fiofanana ity, izay haharitra tapa-bolana ; manomboka ny 19 martsa ka hatramin’ny 04 aprily 2014 izao.
Marihina fa maro ireo zandary avy amin’ny firenena samihafa no handray anjara amin’zany fiofanana izany, toy ny firenena Keniana, Frantsay sy ny sisa ary anisan’ny voafidin’ny Vondrona Eropeana hahazo tombontsoa manokana ny Firenena malagasy noho ny fiverenany amin’ny tany tan-dalàna amin’izao fotoana izao.