Taorian’ny fihaonana teo amin’ny kaominina sy ny JiramaToamasina, nentina nanapahana ny fomba entina hanazavana ny tanàna, izay efa nahazo fankatovana tamin’ny mpanolotsain’ny kaominina ihany koa; ankehitriny dia tonga ireo jiro “Led” miisa 155 ampahany voalohany aloha, entina manazava ny moron-dranomasina sy araben’ny faheleovan-tena. Ho fanomanana ny ho fiatrehana ny fetim-pirenena ny 26 jona no antony, nefa mety tsy hisy ny fankalazana izany eto Toamasina raha mitohy izao fitombon’ny isan’ny olona tratran’ny valanaretina coronavirus isan’andro ity. Omaly maraina no naira-nandray ireto fitaovam-panazavana tanàna ireto ny talen’ny Jirama Toamasiana, Toto Jean de Dieu, sy ny ben’ny tanàna Rakotonirina Nantenaina Herilala, izay natao tao amin’ny foiben’ny Jirama ao Bazary be Toamasina. Nanomboka omaly ihany ary tsy hijanona ny asa raha tsy efa vita mipetraka avokoa ireo fametrahana ny jiro vaovao “led” ireo, izay sahanin’ny mpiasa sy ny teknisian’ny jirama Toamasina. Ankoatra izany dia tonga ihany koa ny siniben-drano miisa 04 amin’ny 10.000m3, ka ireo fokontany tena tsy misy paompy eto Toamasina no ametrahana azy ireo. Tena ilaina ireto sinibe ireto amin’izao trangan’aretina miha-mitombo eto Toamasina izao, satria tafiditra amin’ny fisorohana ny valanaretina coronavirus ny fanasana tanana matetika. Raha ny fanazavana azo mantsy dia fokontany miisa 64 eto Toamasina renivohitra no nahitana ireo olona voan’ny covid-19 ireo, izay miisa 309. Misy sarany ny fakana rano amin’ireo siniben-drano miisa 04 amin’ny 10.000m3 ireto, saingy tsy ny rano zaraina ao anatiny no vidiana amin’izany fa ilay tolotra omen’ny Jirama sy ny Unicef nanolotra azy ireto mba hampaharitra azy no andoavam-bola.
Malala Didier