Ny fitiavana no entina mamehy ny tokantrano. Tsy ny vola ihany anefa no entina mampandeha io tokantrano io fa isan’izany ny resaka firaisana ara-nofo izay natao ho an’ny mpivady ihany. Tsy azo atao amin’ny zaza tsy ampy taona, eo amin’ny mpianadahy, ny mpianaka, sy ivelan’ny tokantrano. Araka ny fandinihana natao dia tsy mifidy saranga na fari-pahalalana ny olana ateraky ny firaisana ara-nofo ary saika iharan’izany avokoa ny 85% ny tokantrano malagasy. Ny tsy fahalavorarian’ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia mahatonga ireto farany ho be ahiahy ny amin’ny mety fisian’ny fampirafesana. Mitranga anefa izany noho ny aretina mahazo ny lehilahy toy ny diabeta, ny prostaty, ary ny tosi-dra. Manoloana izany dia mila harenina io olana io ka manana tolotra amin’izany ny Fitsaboana nentim-paharazana amin’ny fomba natoraly Fitrama manana ny foibe-toerany etsy amin’ny 67 ha atsimo dia ilay antsoina hoe kelimavitrika. Aoka anefa hazava fa tsy fanafody hohanina ihany io fa fomba fitsaboana, ka ao anatin’izay rehetra izay dia misy ny fizaham-pahasalama sy ny fanaraha-maso tsy maintsy ataon’ny mpitsabo. Ny olona rehefa mananika ny 35 taona dia miova ny herin’ny vatany ka mahatonga olana ara-pahasalamana maro ka zary tsy mahavita ny adidy tokony hataony amin’ny vadiny intsony. Noho ireo antony ireo dia manolotra ny kelimavitrika ny Fitrama mba hanarenana mba ny tokan-trano. Malaza tokoa io fomba fitsaboana io ka tsy vitsy ireo misandoka ho mahay mampiasa azy nefa mety hitera-doza tokoa izany ka hampitandremana ny rehetra mba ho mailo, hoy ny fanazavan’Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, Tale jeneralin’ny Fitrama.
T.M.