- Publicité -
mercredi, mai 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijanaka : Fiarahana tamin’ny zaza tsy ampy taona, nidoboka eny Tsiafahy ilay...

Ambohijanaka : Fiarahana tamin’ny zaza tsy ampy taona, nidoboka eny Tsiafahy ilay tovolahy

Ingahy mpanolana sy mpanodikodina zaza tsy ampy taona.

Tsy vitan’ny hoe fiarahana fe fiarahana fotsiny an’ity tovolahy ity, raha nisakaiza tamina ankizivavy iray vao 14 taona ranamana fa mbola nentiny nitsoaka ihany koa ity farany. Ary tena zava-doza dia mbola nanamparany filàna ara-nofo, ary potika tanteraka hatramin’ny lavaka aoriana, hoy ny zandary. Heloka bevava maromaro, izay tsy nisalasalàn’ireo mpitsara mpanao famotorana ny nandetika avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna.

Zava-nitranga teny amin’iny faritra Ambohijanaka Atsimondrano iny, ny faramparan’ny volana aprily lasa teo. Raha ny voalaza dia ankizivavy iray no niala tao an-tranon’ny ray aman-dreniny tao Anganomasina ary tsy niverina intsony. Andro zoma io. Nanao fampilazàna zaza very avy hatrany ireo ray aman-dreniny ary nampilaza ny zandary. Ny alahady, niantso iretsy voalohany rakalakely ary nilaza fa miaraka amin’ny sakaizany eny Ambohidratrimo, saingy na dia teo aza ny fiangavian’ireo nahitany masoandro dia nandà hatrany ity farany. Ny alatsinainy hariva izy ireo, rehefa avy afa-po tamin’ny natao tany no nijaingijaingy nody. Ny fitoriana moa efa nipetraka hoy ny zandary ka dia noraisim-potsiny ilay tovolahy, izay voasokajy ho naka an-keriny sy nitazona ilay ankizivavy, ankoatry ny fanodikodinana zaza tsy ampy  taona.

Efa mailo tamin’ny zava-nitranga ireo ray aman-drenin’ilay zazavavy ka nentina natao fitiliana teny amin’ny « centre vonjy » ity zanany. Ary akory ny hatairan’izay ireo fa simba tanteraka ilay zaza.  « Nampiharan’ilay tovolahikely vao 18 taona monja ny filan-dratsy anterisetra maro, eny hatramin’ny sodomie mihitsy » hoy ny vaovaon’ny zandary. Mazava ho azy niampy ny vesatra hanenjehana an-dranamana.

Niha-nahazo vahana indray ity fitsoahana tokantranon-dray aman-dreny ity tato ho ato izay, ataon’ireo ankizy mbola tsy ampy taona. Ankoatr ity teny Ambohijanaka ity mantsy dia ankizivavy iray 16 taona ihany koa no iangaviana hody an-tranon-dray aman-dreniny amin’izao rehefa niala tao an-tranony. Voalaza fa hita teny Ambohitsoa teny ity farany ary miaraka tamin’ny tovolahy …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici