- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAtsimondrano : Fiaramanidina voatery nijanona an-tanimbary

Atsimondrano : Fiaramanidina voatery nijanona an-tanimbary

Tsy nisy aina nafoy fa tafapetraka tsara an-tanimbary

Maty motera teny am-panidinana ary tsy maintsy nitady toerana hipetrahana maika. « Fiaramanidina kely iray avy any Fianarantsoa ho eto Antananarivo no saika niharandoza. Maty tampoka ny moteran’ny fiaramanidina rehefa nandalo ny vohitra Mandalova », raha araka ny tatitry ny zandary. « Voafehin’ny mpanamory ny fiaramanidina ka dia tafapetraka soa aman-tsara teo amin’ny tanimbary atsinanan’i Mandalova, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Androhibe, distrika Antananarivo-Atsimondrano izay faritra iadidian’ny borigady Fenoarivo » raha ny fampitam-baovao hatrany. Tsy nisy ny aina nafoy ary tsy nisy naninona koa ireo mpivady tao anatiny dia ny mpanamory ny fiaramanidina sy ny andefimandriny izany. Ny alatsinainy antoandro teo no niseho ity lozam-piaramanidina izay voasoroka ity noho ny fahaizan’ny mpanamory, na koa noho ny vintana izay mbola nitsiky tamin’izy mivady. Vitsy ihany mantsy no tafavoaka velona amin’ny tranga toa itony ary efa betsaka koa izay fiaramanidina kely nianjera izay. Izy itony dia tena mivezivezy eto amintsika. Betsaka ireo toerana tena tsy handalovan’ny zotram-piaramanidina izay matetika anefa misy orinasa lehibe. Voatery manofa fiaramanidina kely araka izany ny toeram-piasàna. Tsy araka ny nampoizina fa tena mifamoivoy eny amin’ny lanitr’i Gasikara ny fiaramanidina kely ary tena betsaka mpanofa. Asa anefa aloha ny fanaraha-maso teknika azy ireny satria betsaka koa izay efa nianjera izay.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici