- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN12 : Fiaran’ny Brink’s nitondra vola, nivadika, telo naratra

RN12 : Fiaran’ny Brink’s nitondra vola, nivadika, telo naratra

Ny namonjena ireo olona tra-doza tao anatin’ity fiara nitondra vola ity.

Niala ny lalana ary nivadibadika. Tsy nijanona raha tsy metatra vitsivitsy ivelan’ny arabe nisehoan’ny loza ary niafara tanaty anaty hantsana. Ny andron’ny alakamisy lasa teo, fiara iray mpitondra vola avy eo anivon’ny orinasa Brink’s no niharan-doza teo  Vohipeno, tamin’iny lalam-pirenena faha-12 iny. Samy voa mafy, saingy tsy misy ahiana kosa ny amin’iny ain’ireo telolahy tao anatiny.

Tokony ho tamin’ny efatra oray mahery kely tany ho any no niseho ny loza, araka ny fampitam-baovan’ny tompon’andraikitry ny zandary tany an-toerana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Amborombe, 20 kilaometatra mialan’ny tampon-tanan’i Vohipeno, raha handeha hiakatra hanohy ny diany any an-drenivohitra. Raha ny voalaza hatrany dia nitondra vola avy any Vaingandrano avy any izy ireo saingy tsy fantatra kosa ny toerana alehany. « Nipoaka ny kodiarana alohan’io fiara io ary tsy voatan’ny mpamily intsony ilay fiara. Mazava ho azy fa ao anatin’ny fandehanana mafy ihany koa izy tamin’io fotoana io izay fomba fanao ho amin’ny fiarovana ny zavatra entin’izy ireo. Vokatr’izay dia nivoaka ny lalana ary tafatsambikiny ireny fantson-drano ireny, mialohan’ny nivadibadihany tanaty hantsana ».

Niara-nientana avy hatrany ny fokonolona sy ny tompon’andraikitram-panjakana teo an-toerana, raha vao nahita ny loza, nampian’ny teo anivon’ny mpitandro filaminana. Nisy zandary nanao PR tsy lavitra teo ary izy ireo no avy hatrany dia niezaka nifehy ny filaminana manodidina ny fiara niaran-doza aloha, nentina hiarovana ny vola nentin’izany fiara izany. Tonga kely taorian’izay taty aorian’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Vohipeno avy eo, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny fokonolona, nanampy tamin’ny famonjena ireo naratra. « Tena voa mafy daholo izy telo tao anatin’ny fiara, ary tsy maintsy nentina namonjy toeram-pitsaboana. Efa tsy misy ahiana intsony ny ain’izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana. Ny mahakasika ny entana kosa dia tsy nisy nanombinana ny vola nentin’ity fiara « blindée » ity. Torak’izany ihany koa ny fitaovam-piadiana teny am-pelantanan’ireo olona naratra tao anatiny. « Basy anankiroa no tao anatin’izany fiara izany : « fusil à pompe » iray, izay efa nalain’ireo namana mpiara-miasa tamin’ireto niharan-doza ireto, sy ny « pistolet automatique » iray izay teny am-balahan’ny iray tamin’ireo izy ireo. Ity farany izay notazominay ary averina amin’izy ireo ihany aoriana » araka ny fanazavana azo hatrany.

Amin’ny toe-javatra tahak’izao moa dia tsy maintsy misy ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ny loza. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Vohipeno no miandraikitra izany araka ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici