Ezaka lehibe ary tsy maintsy hotohizana ny fanofanana ireo miaramila hisehatra eo amin’ny lafiny fitsaboana sy fahasalamana. Ilaina ary tsy maintsy himasoana ny hananan’ireo mpitsabo eo anivon’ny Tafika Malagasy fahaiza-manao hiatrehana ny andraikiny eny an-tsehatra na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Betsaka ny ezaka efa vita fa maro ihany koa no mbola hatrehana koa entanina ny rehetra amin’ny mba ho vonona sy handray anjara amin’izany indrindra ireto mpitsabo miaramila miisa 36 vao navoaka omaly zoma 2 Jona 2023. Izany no azo amintinana ny tenin’ny sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena nandritra ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana ho mpitsabo miaramila izay nanaraka fiofanana nandritran’ny enim-bolana teo anivon’ny foibe fitsaboana miaramila Ampahibe (DSSM). Ity farany izay rafitra iray noforonina tao anatin’ilay fanavaozan-drafitra teo anivon’ny Tafika Malagasy izay ny tanjona dia ny hametrahana ny foloalindahy manakaiky vahoaka.
36 manam-pahaizana manokana
Tsiahivina fa ny lanona omaly dia namoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpitsabo miaramila 36 mianadahy nahavita fiofanana manokana amin’ny resaka fitsaboana ara-miaramila. Fiofanana izay naharitra enim-bolana izany hoe naomboka tamin’ny volana desambra ary nofaranana tamin’izao volana jona izao. Ireo olona ireo dia nofanina manokana ankoatra izay efa norantoviny teny amin’ny oniversite ka niditra teto amin’ny miaramila mba hanana ny paikady rehetra ilaina hiatrehana ny ady sy ny olana iainan’ny miaramila sy ny fianakaviana amin’ny fotoana sarotra. Betsaka amin’izy ireo ny efa nanana traikefa tamin’izy mbola sivily fa rehefa nandalo tao amin’ny akademia miaramila izy dia hafa tanteraka ny fomba fijery. Fa ankehitriny dia nisafidy ny tanjona “ho an’ny Tanindrazana”.
Mbola tsy ampy ireo mpitsabo miaramila
Araky ny fantatra dia andiany faha efatra tanatin’ireo mpitsabo teo anivon’ny DSSM ireto navoaka ireto. Antenaina anefa fa hanatevin-daharana ireo izay efa eny an-tsehatra izay tsarina fa tsy ampy tokoa amin’izao fotoana izao. Raha araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ity sampan’ny Tafika Malagasy ity, mbola vitsy dia vitsy tokoa ny miaramila sy manam-pahaizana mitantana hopitaly miaramila eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeany, manodidina ny 30 eo ny toby miaramila manana ivontoerana mahafeno fepetra maha hopitaly. Noho izany dia tombony lehibe ny fananana ireto manam-pahaizana ireto izay tsy maintsy aparitaka any amin’ny faritra rehetra tokony ilàna azy ireo.
T.M.