- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiatrehana ny paska : Hametraka paikady vaovao ny ivon-toerana fitsarana fiara

Fiatrehana ny paska : Hametraka paikady vaovao ny ivon-toerana fitsarana fiara

Faritra iray isan’ny be mpitsidika indridra ny tananan’Antsirabe amin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska. Mialoha, mandrintra  ary aorian’ny fety dia misy hatrany ny fepetra tsy maintsy raisin’ny mpitantana handrindrana sy handaminana ny tananan’ Antsirabe indrindra  fa ny lalam-pirenana fahafito izay tena maro mpampiasa. 

Isan’ny hametraka paikady vaovao ny ivon-toerana fitsarana fiara eto Antsirabe hiatrehana ny Paska mba tsy hisy ny loza na iray aza no tanjona. Hotohizana ny tsara teo aloha fa hemetraka fomba fiasa vaovao mba hampitovy ny tadindokanga eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpampiasa ny lalana hoy ny Jeneraly Reribake Jeannot Tale jeneralin’ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia nandritra ny fitsidihany ny « centre de sécurité routière » teto Antsirabe ny faran’ny herinadro lasa teo. Ity no fitsidihana voalohany nataon’ny Tale jeneralin’ny ivon-toerana fitsarana fiara teto Antsirabe hatramin’ny nahavoatendry azy teo amin’ny toerany. Hijery ifotony ny ivon-toerana no tena anton-diany ary mahetraka fomba fiasa vaovao mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny ivon-toerana sy ny mpitondra fiara izay hotsarana mba ahafahan’ity farany mahatoky fa voaharo ny ainy sy ny fiarany.

Hialohavan’ny fanamarihana ny andron’ny 29 Martsa ny fetin’ny Paska ka ho lavalava ny andro tsy fiasana noho izany dia ho maro ny mpivezivezy amin’ny lalam-pirenena ka tsy maintsy hisy ny fepetra hentitra hiarahana amin’ny sampandraharan’ny fitanterana sy famantarana ny toetry ny andro eto Vakinankaratra sy ireo ratsa mangaika rehera voakasika.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici