- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFibaikoana ny Zandarimariam-pirenena : Lalao ara-pantanjahantena no nankalazana ny fetin’ny faran’ny taona

Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena : Lalao ara-pantanjahantena no nankalazana ny fetin’ny faran’ny taona

Ankoatra ireo hetsika maro samihafa, lalao ara-panatanjahan-tena no nentin’ny « Direction adiminstrative et financière » eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena étsy Betongolo nankalazana ny fetin’ny faran’ny taona 2017. Nisy araka izany ny lalao nifaninanan’ireo sampan-draharaha samihafa, ka notontosaina ny alakamisy 28 desambra tao amin’ny Toby Jeneraly Ramarolahy Philibert ao Betongolo ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra nolalaovin’olona 7 sy ny taranja basikety. Nibata ny amboara tamin’izany ny avy ao amin’ny « Service de denier »ho an’ny basikety. Ny avy ao amin’ny « Etablissement de Matériels Généraux » kosa ny tamin’ny baolina kitra. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Jeneraly Kassimo Arona Besony, talen’ny fitantanan-draharaha sy ny ara-bola eo anivon’ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena no nanambarany fa nosafidiana manokana ny fanatanjahantena tamin’ity indray mitoraka ity mba hitaizana ny Zandary ka hananan’izy ireo fahasalamana sy tanjaka hiatrehany ny asa sy ny andraikiny, dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary ny Andrim-panjakana. Natao ihany koa izao mba hanamafisana orina ny fifankatiavana sy ny firahalahiana eo amin’ny samy mpiasa eo anivon’ity sampan-draharaha ity mba hipetraka hatrany ny maha miaramila azy ireo. Nofantenana nandritra izao fifaninanana ara-panatanjahan-tena izao ireo handrafitra ny ekipa hisolo tena ny « Direction Administrative et financière » amin’ny fifaninana amin’ny taona 2018.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici