- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversFibodoana tanin’olona ao Brickaville : Manjaka ny ramatahora, miantso ny fitondram-panjakana ireo...

Fibodoana tanin’olona ao Brickaville : Manjaka ny ramatahora, miantso ny fitondram-panjakana ireo lasibatra

Ing. Jhon Love, anisan’ireo lasibatra ary tsy hanaiky mora ny fibodoana ny tany, lovany avy amin’ny dadabeny.

Tsy mbola vita ! Vao maika aza manohy ny tsindry ataony ireo andian’olona mpibodo tanin’olona ao Maromaniry, Fiadanamanga Brickaville. Tsindry izay mihatra amin’ireo tantsaha sasantsany manana ny taratasy ara-dalana sy tena tompon’ny tany ao an-toerana ka hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny Fitondram-panjakana.

Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny tany lovan’i Jhon Love, na  Jean Aimée Andrianarison, tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, no sady Filohan’ny Asief (Fikambanana ara-panatanjahantena iraisan’ny ministera). « Misoratra mazava amin’ny dadabenay io tany ary manana titra azy manokana : 2526BC. Ampahan-tany vita baorina, tamin’ny 1974 ary namafisina tamin’ny 18 octobre 2022, teo anatrehan’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony, rehefa nisy nanongotra izany». Ara-dalàna avokoa ny taratasy eo am-pelatanany, ary nambarany fa efa tapitra voaloa avokoa ny volan’ny fanjakana mifandraika amin’ny fanoratana io ampahan-tany io. Ampahan-tany izay marihana fa nalaina tamin’ny tany mitondra ny titra 596-BC (Brickaville II). Tsy te hahalala anefa ireto mpibodo tany ireto, na dia efa misy aza izay titra hafa izay fa mbola midongy ity ampahan-tany ity hatrany. Ary tsy tahotra tsy henatra fa mahasahy mitrandraka izany ary maka ireo voly eo ambony izy ireo. « Tany tan-dalàna i Madagasikara hoy ity tompon’andraikitra ity. Raha ny lalàna dia tany efa manana titra sy vita borina, dia hananan’ny tompony zo feno ka tsy tokony hisy afaka hikitika sy hitrandraka izay zavatra eo amboniny »

Raha tsiahivina dia resaka fitrandrahana letchis tsy ara-dalàna ny farany teo, teo tamin’izany tany izany. Nilazan’ireo mpibodo tany fa hananan’izy ireo « ordonnance » hitrandraka. Ny marina anefa dia hitsivolana manome alalàna azy ireo hitrandraka eo amin’ny tany mitondra ny titre 596BC no azon’izy ireo fa tsy nisy filazàna mihitsy hoe tafiditra ao anatin’ny 2526BC izay efa manan-tompo. Nametraka fitoriana araka izany ireo tompon’ny tany, saingy toa tsy nisy fanadihadiana ireo « olona tratra nangalatra am-body omby » fa nomena fahafahana vonjimaika, mandram-pahatonga ny fitsaràna amin’ny 26 janoary ho avy izao. Marihana fa tsy vao ity tany lovan-dry Jhon Love ity no efa nihetraketrahan’ireto andian’olona ireto fa efa maromaro ihany izay. Izany toe-javatra izany no hiantsoan’ireto tantsaha any an-toerana, izay mahatsiaro hiharan’ny tsindry hazo lena ireto ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici