Taorian’ny fampiatoana vonjimaika ny asa fitrandraham-bolamena tao amin’ny karieran’ Ampangadiambato, Fokontany Ampasimadinika, any amin’ny Kaominina ambanivohitry Marofototra, Distrikan’i Mananjary, noho ny fifandrorotana misy, dia ahina hivadika ady saritaka sy fifandonana mety hiteraka rà mandriaka ny raharaha, raha tsy voalamin’ny tompon’andraiki-panjakana haingana. Araka ny tati-baovao voaray, norobahina mpanambola mpividy volamena iray voalaza fa avy an’i Mandritsara Maroantova, miaraka amina miaramila iray nokaramainy, ny tany hosivanina (izay tombanana hahazoana volamena 300g eo ho eo)voaangon’ ireo Ampanjaka sy mpitrandraka volamena madinika any an-toerana, ny asabotsy teo. Taorian’ny zava-nitranga, nivory tao Ampasimadinika ireo Fokonolona voakasiky ny raharaha, omaly naraina, ary nilaza fa tsy hanaiky mihitsy manoloana ny tsindry hazolena sy ramatahora atao azy ireo. « Tsy mety maneho taratasy marika ny fananany ny faritra itrandraham-bolamena ireo milaza azy ho tompon’ny « périmètre », ka mahatonga anay mpitrandraka madinika nailika tsy hiala eto mihitsy », hoy hatrany ireo mponina. Marihina, fa efa andro maromaro lasa izay no vaky ity kariera ao Ampangadiambato ity, dia izao ifandroritana izao sahady.
Eric Manitrisa