- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFibodoana tany tao Ampanefena : Mitaky ny idiran’ny mpitondra ambony antsehatra ny Be ...

Fibodoana tany tao Ampanefena : Mitaky ny idiran’ny mpitondra ambony antsehatra ny Be  antitra

Mbola miteraka savorovoro hatram’izao ilay rahara fibodoana tanim-panjakàna ataona mpandraharaha iray ao Ampenefena distrikta Vohémar, Faritra SAVA.  Manoloana izany dia mihetsika ankehitriny  ireo zokiolona mpikambana ao amin’ny Fikambanana Be Antitra Miray Hina Ampanefena ary mitaky ny  hidiran’ny mpitondra ambony antsehatra handamina ity raharaha manahirana ity. Raha tsiahivina dia nisy mpandraharaha iray nandrefy antsokosoko  ny tany hafa manodidina ny tany novidiany. Araka ny fitarainana nataon’ireto zokiolona ireto dia voarefy ary voafaritr’ity mpandraharaha ity hatramin’ny tany tokony hanaovan’ny Kaominina fotodrafitrasa vaovao. Tsy vitan’izany, hoy ihany izy ireo fa nofefen’ilay mpandraharaha rindrim-bato mbamin’ny lalambahoaka mampitohy  ny Fokontany Anolakely sy ny RN5 A izay ivezivezin’ny olona anjatony maro,  isan’andro. Noho io fanefena tsy ara-dalàna io dia voatery miodidina lavitra ny vahoaka vao afaka mihazo ny RN5 A sy ireo toerana hafa anaovan’izy ireo ny asa fivelomanana.  Araka ny tatitra voaray ihany koa dia mety ampididoza ho an’ny fiarahamonina  ny fanotofona tany nataon’ity mpandraharaha ity satria mety ho dobo tanteraka ilay faritra raha sendra misy oram-be.   Efa hita taratra rahateo izany loza izany satria dia maty avokoa ny voly vary sy ny voly avotra noho ny fiondronan’ny rano, be loatra. Ahiana ihany koa hoy ireto  be antitra ireto ny isian’ny fatiolona reha sendra misy tondran-drano satria dia mety ho sarotra ny famoahana noho ireo làlana voasakana.

Ny fiadidiana ny tanànan’Ampanefena moa dia nanambara ihany koa fa tsy naharay fangatahana mikasika io fanotofana tany tsy ara-dalàna mitondra korontana io.  Takian’ireto zokiolona ireto araka izany ny famaizana ireo rehetra voaroiroy tami’ity raharaha ity.

R.Edmond.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici