Mbola mitohy ny fivahinianan’ireo roa lahy izay nidaroka mpisolovava tetsy Antanimena. Nolavina ny fangatahana fahafahana vonjimaika izay napetrak’izy ireo tao Anosy tamin’ny zoma lasa teo. Raha araka ny fantatra dia tokony ho tamin’ny 10 desambra teo no nohenoina ny mpitory. Io arany anefa dia mbola tsaboina any amin’ny hopitaly hatreto noho ny fahavoazana nahazo azy. Amin’ny raharaham-pitsarana izay eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana dia matetika aorian’ny fihainoana ny mpitory na ny fakàna am-bavany azy vao mety azo eritreretina ny fangatahana fahafahana vonjimaika. Nitontona tamin’ny fialan-tsasatry ny fitsaràna koa anefa ity raharaha ity ary dia tsy hisy fitohizany izany raha tsy any aorian’ny 15 janoary any. Mbola misy koa aza ny fanadihadiana farany izay hatao sy izay mety ho fampifanatrehana ny roa tonta. Midika izany rehetra izany fa dia manao fety any am-ponja aloha izany ireo roa lahy izay nidaroka mpisolovava tetsy Antanimena. Amin’ny herintaona mihitsy vao afaka mandinika ny dosie momba azy ireo ny etsy Anosy. Loharanom-baovao teo anivon’ny fitsaràna no nahafantarana fa nampiakatra fitsaràna ambony ny fandavàna ny fahafahana vonjimaika izy roa lahy. Izany hoe miady mafy ny mba hivoahana ao am-ponja ny voakasika ary manaraka ny antanan-tohatra rehetra mba hahatratrana ny tanjona. Ny mpanara-baovao dia mahita fa sarotsarotra ny làlana satria mpahay lalàna no mifanandrina amin’izy ireo ary ny fisian’ilay horonan-tsarimihetsika koa dia porofo mitohoka amin’ny tenda izay tena sarotra ialàna. Na izany aza dia tsikaritra fa nahatonga saina ny mpisetrasetra amin’ny alina iny tranga iny. Indrindra fa ireo mpitazona basy sy mahatsapa tena ho lasa tsimatimanota noho ny fitazomana an’izany. Betsaka ny tonga saina rehefa nahita ilay horonan-tsarimihetsika ary koa rehefa nahatsapa ny fiantraikan’izany tamin’ny tompon’andraikitra sy ny fianakaviany. Ny dada very asa, ny vady nifona, ny tena nidoboka am-ponja sns…
D.R