- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFidinana an-dalambe anio : Mampitandrina ny eo anivon’ny EmmoNat

Fidinana an-dalambe anio : Mampitandrina ny eo anivon’ny EmmoNat

Nanomboka androany tamin’ny misasakalina ka mandrampahavita ny fandatsaham-bato no misy ilay antsoina fitoniana ao anatin’ny fifidianana (silence electorale), izay, araka ny voalazan’ny lalàna dia tsy azo hanaovana fampielezan-kevitra na fidinana an-dalambe miresaka fifidianana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Omaly, nisy ny valan-dresaka ho amin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny EmmoNat omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava.. « Mampitandrina izahay, hoy izy ireo, fa na iza na iza ka minia mandika ny lalàna, hitarika olona handrava na hanakorontana amin’ireo vanim-potoanan’ny fifidianana ho filoham-pirenena io dia tsy hihambahamba ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny EmmoNat, handray andraikitra avy hatrany ary hitondra azy eo anivon’ny tompon’andraikitra mahefa ». Fampitandremana izay mivantana avy hatrany amin’ireo mpomban’ny vondron’ny kandidà, izay mikasa ny hidina an-dalambe anio, hanohy sy hanamafy hatrany ny hetsika fotsy izay ataon’izy ireo. Ireto farany ihany koa izay mitaona ny rehetra tsy handray anjara amin’io latsa-bato ho fifidianana izay ho filoham-pirenena io. « Samy manana ny heviny ny mpiray tanindrazana, hoy hatrany ireto tompon’andraikitra eo anivon’ny Emmo ireto, ka tsy azon’iza n’iza atao ny manakana ny olona haneho ny heviny »

Nambaran’izy ireo ihany koa tao anatin’ity valan-dresaka ity fa efa nandray toromarika avy eo anivon’ny OMC nasionaly, izy ireo mba ahafahan’ny olom-pirenena miatrika am-pitoniana izany fifidianana ho filoham-pirenena izany. « Adidinay ny miaro ny olona, ny trano hanaovana ny fandatsaham-bato, ary ireo fitaovana ilaina amin’izany fa indrindra ny fiarovana ny filaminam-bahoaka mandritra io fotoana io » raha ny fanazavana azo hatrany. Marihana fa ny alakamisy ho avy izao, araka ny tetiandron’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana no hanantaterahana ny fiodinana voalohany amin’izay fifidianana ho Filoham-pirenena izay. Tetiandro izay, tsy eken’ny eo anivon’ireo vondron’ny kandidà.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici