- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFidirana an-tsokosoko eto an-drenivohitra : Môtô tratra nanao « lalam-poza » tamin’ny RN1

Fidirana an-tsokosoko eto an-drenivohitra : Môtô tratra nanao « lalam-poza » tamin’ny RN1

Tsy misangy satria aina no arovana ! Maromaro ihany ireo mpitondra môtô tra-tehaky ny zandary, saika hihazo an-tsokosoko ny renivohitra, nandritry ny hetsika nataon’ny zandary tao Arivonimamo, izay notarihan’ny Kaomandin’ny Vondrotobim-paritra ao an-toerana. Tsy handefitra mihitsy izy ireo manoloana ny tsy fanarahan-dalàna asehon’ireo olona sasany amin’ity ady amin’ny fiparihatahan’ny valanaretina Covid-19 ity. « Nametraka sakana eto Bemasoandro RN1 izahay, hoy izy hanakana ireo fiara na môtô na olon-tsotra mandeha an-tongotra hihazo ny renivohitra na hiditra an-tsokosoko aty amin’ny faritr’Itasy ». Tsy maintsy mandalo eo avokoa ireo ary hanaovana fisavàna. « Rehefa hita fa tsy misy anton-dia ataony loatra dia tsy maintsy averina any amin’ny toerana izay niaingany ireo olona ireo, ankoatr’ireo olona izay voafaritra fa mahazo mivezivezy malalaka. Torak’izany ihany koa ny razana, izay efa noraisina fa tsy misy mahazo miditra ny faritra Itasy na mivoaka ny faritra Analamanga ». Na dia eo aza anefa izany sakana ataon’izy ireo izany dia mbola maro amin’ireo olona no mahita lalana hivoahana na hidirana ny faritra, indrindra fa ireo mpandeha an-tongotra sy môtô . Lala-manivaka na lalan-tany mitety havoana sy lohasaha ary mihodidina miala ilay sakana eo amin’ny RN1. Tonga teny am-pototsofin’ireo mpitandro filaminana ny fisian’ity « lalam-poza » ka nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo. Hita teo fa maro dia maro tokoa ireo olona no mindrana io lalana io, izay nasaina niverin-dalana avokoa moa. Ireo kodiaran-droa, izay mitatitra olona an-tsokosoko kosa dia nomena ny sazy sahaza azy taorian’ny fisintonana ny antontan-taratasy. «Mahavoasazy ny fitaterana olona an-tsokosoko » hoy hatrany ireo mpitandro filaminana ary tsy hisomonga amin’izay tratra izy ireo na iza na iza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici