- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFidorohana rongony mahery vaika : Mpanakanto malaza iray sy ny namany nadoboka...

Fidorohana rongony mahery vaika : Mpanakanto malaza iray sy ny namany nadoboka am-ponja

Ireo fitaovana fandraisana rongony mahery vaika sarona tao amin’ilay artista.

Tsy nahasarona ny fandikan-dalàna nataony ny naha-olo-malaza ity mpanakanto iray ity. Tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana, niaraka tamin’ny rongony mahery vaika fantatra amin’ny anarana hoe « méthamphétamine » izy sy ny namany, teny amin’iny faritra Talatamaty iny.

Raha ny angom-baovao azo, nahatratra teo amin’ny olona fito teo ho eo no voatery nosamborin’ireo mpitandro filaminana ny harivan’ny alarobia lasa teo, noho ny resaka fanaparitahana sy fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Anisan’ireo voasambotra sy nampikarina tao anatin’ny fiaran’ireo mpisambotra, tamin’izany ny mpanakanto tanora malaza iray. Samy nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro izy ireo nanaovana fanadihadiana. Ny loharanom-baovao azo hatrany no nahafantarana fa tra-tehaka sy tsy afa-niala intsony teo am-pandraisana izany rongony mahery vaika izany ity olo-malaza sy ny namany ity. Mbola hita tao amin’ny trano nisamborana azy ireo, araka ny vaovao azo hatrany, ny fitaovana isan-karazany fihinanan’izy ireo izany rongony izany, toy ny « briquet » sy ireo karazana tavoahangy kely, mitovy endrika amin’ny « shisha » miisa dimy. Ankoatry ny fitaovana, raha ny fantatra hatrany dia mbola nahitàna bolongan-javatra sy vovo-javatra fotsifotsy, izay milanja teo amin’ny 6 grama teo ihany tao amin’io toerana io. Vovo-javatra, izay rehefa nanaovana fitsirahana dia fantatra fa izany « methamphétamine » izany, isan’ireo rongony mahery vaika.

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona nahatratrarana rongony mahery vaika ireto. Raha ny angom-baovao azonay hatrany dia voalaza fa ny efatra tamin’ireto fito voasambotra no nadoboka am-ponja vonjimaika, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna, araka ny fanampahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana. Fantatra fa anisan’ireo nihazo ny fonja ilay mpanakanto malaza.

Anisan’ny mahazo vahana sy miparitaka izay tsy izy tokoa tato ho ato izay ny fandraisana rongony mahery vaika. Saika voakasika avokoa ny karazan’olona rehetra eny fa na dia ireo olona lazaina fa sahirana sy ambany fivelomana aza. Dia izao voakasika hatramin’ny artista izao. Izy ireo izay tokony hanoro sy hanabe ny mpiara-monina aminy ary hiady amin’ny fandraisana izany. Tonga amin’ilay tononkira malaza iray izay hoe « dia zah ndray no menatra  …»

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici