Tovolahy dimy samy mipetraka ao Valpinson sy Ambohijafy ary Andranomadio, sy ireo mpivady monina ao Andranomadio mpivarotra, no tratra ny polisy ny FIP omaly. Tsy inona no heloka vitan’izy ireo fa ny fitsindromana rongony mahery vaika « heroine » sy ny fivarotana izany.
Efa feno dian’ialy tsindrona mihintsy ny tanan’ireo tanora dimy lahy, ahitana an’i Jiovanie 21 taona nanomboka nitsindrona ny volana mars, Antonio 19 taona izay nanomboka nitsindrona efa telo volana izao, Kevin 20 taona izay efa ny volana janoary no nitsindrona “heroine”, Laurent 19 taona izay vao niditra tamin’izany ny volana aprily teo, ary Ali 23 taona izay sady mpitsindrona no mpivarotra nanomboka ny faran’ny volana ny taona lasa iny. Teo koa ingahy Eric 50 taona izay mpivarotra izany eto Toamasina sady mitsindrona ihany koa efa ho 15 taona izao.
Mahatratra 60.000 ariary ny dozy iray 05ml fampiasan’ireto olona ireto raha ny fanazavana, ka ny fanendahana sy halatra ao an-tranon’izy ireo ary ny fanampiana an’ingahy Eric manaparitaka izany, no fomba ataon’ireto tanora ireto ahazoana ny vola hividianana izany, izay fanao in-03 isanandro hoy izy ireo. Mbola nahatrarana ireo fitaovana fandorana ny “heroine” sy ny fanindronana izany koa tany amin’ireto andiana tanora mpitsindrona “heroine” ireto nandritra ny fisamborana azy ireo. Voalaza moa fa mbola misy tanora efatra naman’izy ireo mpitsindrona ity rongony mahery vaika ity koa ifampitadiavana amin’izao fotoana izao, ka ny roa amin’izy ireo zanaka mpandraharaha ao Valpinson sy zanaka mpitandro filaminana, izay mpamatsy ny namany amin’ny fotoana filana izany maika.
Ankoatra izany raha ny fanazavan’ingahy Eric dia tao ambodin’Isotry Antananarivo no nanombohany nitsindrona sy nivarotra ity rongony mahery vaika ity 15 taona lasa izao, ka fanitarana ny tsenany no nifindrany teto Toamasina ny taona 2015. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana fa mety isan’ny antony iray mampirongatra ny fanendahana sy vaky trano ao Andranomadio sy Ambohijafy ary Valpinson iny ny fitsindronana rongony mahery vaika tahaka izao, satria voalaza fa manome hery sy fahasahiana ny fanaovana izany.
Malala Didier