- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFieferana : Folo lahy nanolana nandritry ny fanafihana

Fieferana : Folo lahy nanolana nandritry ny fanafihana

Notafihana ny tokantrano ary naolana ny vehivavy iray tao. Folo lahy no nanao fanararaotana ara-nofo ny renim-pianakaviana iray. Saika ny zanany vavy vao 12 taona aza no niharan’izany saingy mba niangavy izy ny tsy hanaovana izany mba hiarovana an-janany. Dia lasa nifatratra tany amin’ny tenany izany nony avy eo. Sady very ny harena no potika ny vatana. Izany no takaitra navelan’ireo olon-dratsy izay mbola karohina hatramin’izao. Nalaza be fa tao Ambohimangakely no nisehoan’ity habibiana tsy roa aman-tany ity. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia fantatra ankehitriny fa tany amin’ny fokontany antsoina hoe Makazo, any ambanivohitr’i Fieferana izany. Nihorohoro ny olona raha nafahantatra ny zava-nisy raha niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy izany. Ny fandrobana iny, toa efa ho lasa ao anaty andanan’androm-piarahamonina izay iainana isan’andro, fa kosa ny fanolanana no tena nampivarahotsana ny maro. Hatreto dia miandry ny vokatry ny fanadihadiana na koa ny fahazoana ireo tompon’antoka ny maro satria tsy azo eken’ny saina raha jiolahy tsy mifaditrovana toa izany no mbola miriaria any ary mety hanao ny hataony amin’ny tokantrano hafa indray. Mendrika ny hatao hazalambo izany satria namotika fiainan’olona tao anatin’ny indray mipi-maso. Heloka bevava ary figadràna mandram-pahafaty no miandry ireo mpanao ratsy ireo raha araka ny lalàna manan-kery mahakasika izay nataony. Samy heloka bevava na ny fandrobana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana -indrindra koa amin’ny alina – na koa ny fanolanana. Miandry ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy ireo ny mpanara-baovao.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici