Tao anatin’ny iray volana izao, araka ny tatitra azon’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ato anatin’ny distrikan’i Moramanga, dia efa mahatratra 11 ireo zazavavy voan’ny ambalavelona ao amin’ny CEG Amparihivola, ao amin’ny kaominina Fierenana. Manodidina ny 13 ka hatramin’ny 14 taona no iharan’ity aretin-dratsy ity. Miara-mihetsika avokoa izy ireo ao anatin’ny andro iray ary mirifatra tsy voatazona mihitsy. Tonga nitsidika sy nitady vahaolana ity ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ity ny faran’ny herinandro teo . Nandray an-tanana ireo zazavavy mararin’ny ambalavelona ny teo anivon’ny fiangonanan FJKM mandra-pahasitranany. Kilasim-panadianana avokoa ireo zaza ireo ary anisan’ny tebiteby mahazo ireo ray aman-dreny izany. Vavaka aloha hatreto no fanafody anasitranana azy ireo.
Cathy