- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilÀ lireMaevatanàna : Fifamindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny zandary

Maevatanàna : Fifamindram-pahefana teo amin’ny lehiben’ny zandary

Notanterahina tety amin’ny kianjan’ny la place tao amin’ny fokontan’Andranomangatsiaka ny marainan’ny Zoma faha 31 volana May 2024 teo ny lanona ara-miaramila famidram-pibaikona, teo amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandariam-pirenena eto Betsiboka. Lanonana notarihin’ny Jeneraly sekretera eo anivon’ny Ministre délégué miadidy ny Zandariam-pirenena sy ny Jeneraly kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena. Voarakitrin’ny didim-panajakana laharana faha: 40seg/4po-COGAS/DRH/SPER du 12 décembre 2023, noraisin’ny filankevitry ny minisitra, ka voatendry ho kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka ny lietinà-kolonely Andrianantrehina Hando Dinah dit Triplette, nadimby ny kolonely Eddy Dieudieu Maroasidy. Araka ny fomba ara-miaramila, dia nisy hatrany ny fanolorana sabatra hoan’ny lietinà-kolonely Dinah, izay hibaiko indray ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandariam-pirenena Betsiboka no nanamarihana ny lanonana. Ny lietinà-kolonely Dinah no kaomandy faha valo (08) hitondra ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandariam-pirenena eto Betsiboka. Matso nataon’ireo Zandary avy amin’ny vondron-tobim-paritra telo (03) mandrafitra ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandariam-pirenena eto Betsiboka no namarana ny lanona. Nandritra ny fandraisam-pitenana nataon’ny lietinà-kolonely Dinah tao amin’ny  » Hôtel Restaurant Les Mandarin » niarahana nanao tsaingoka sy goka na « Cocktail » dia asa avy hatrany no hatao ho fanatanterahana ny baiko hampanjakana ny fandriam-pahalemana araka ny baiko, ao anatin’ny fanaran-dalana sy fitondran-tena mendrika eo am-panatanterahaana ny asa: toy ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny asan-dahalo sy ny halatr’omby, ary ny ady amin’ny fiparitahin’ny zava-mahadomelina, fakana an-keriny, eo ihany koa ny fampandriana fahalemana amin’ny lalam-pirenena fahefatra no tsy maintsy imasoana. Fandraisana olona manana raharaha eo anivon’ny Zandarimaria. Toy ny fampitaovana sy fanaomboarina fiara hampiasana. Raha hifehezina izany rehetra izany dia vonona amin’ny andraikitra nanendrena azy ny lietinà-kolonely Dinah, izay kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandariam-pirenena eto Betsiboka.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici