- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFifamoivoizana amin’ny alina : Hisava ary hanafay ireo tsy ara-dalana ny polisy

Fifamoivoizana amin’ny alina : Hisava ary hanafay ireo tsy ara-dalana ny polisy

Nanomboka ny alin’ny alarobia lasa teo dia nisy ny hetsika manokana nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, hisavana ireo fitaovana rehetra mpifamoivoy amin’ny alina, tsy manara-dalana. “Nahatsapa ny teto anivon’ny polisim-pirenena fa maro ireo fandikan-dalana ataon’ny mpitondra fiarakodia sy  moto ary ny sarety sy ny bisikleta amin’ny alina ka isan’ny fositra mahatonga ny loza. Ny tsy fisiana jiro na misy ihany fa tsy ampy ny fahazavany, ny tsy fahafenoana na koa tsy fisian’ny taratasy mihitsy mikasika ny fiara sy ny moto entina manararaotra ny andro alina, ny fitondrana fiarakodia ao anatin’ny hamamoana. Ho an’ny Sarety sy ny bisikileta manokana dia ny tsy fisian’ny « Cataphote » ahafatarana azy amin’ny alina” hoy ny vaovao azo. Hetsika manokana izay ataon’ny eo anivon’ny kaomisaria Foibe etsy Tsaralalana izy ity, ampian’ireo polisy eny anivon’ny boriborintany. Hatramin’ny alarobia dia fantatra fa fiara manodidina ny 143, moto 22, izay samy mpivezivezy amin’ny alina teo no voasavasy tratra tsy nanara-dalana. Nisy sasany tamin’izy ireo moa, rehefa nanamboatra ny zavatra tsy nety tamin’ny fiarany dia nalefa nandeha ihany. Mbola nitohy hatramin’ny omaly io hetsika, ary heverina fa mety aharitra andro maro. Indrindra moa fa hoe tao anatin’ny indroa andro misesisesy izao dia nisy lozam-pifamoivoizana izay samy nahafaty olona avokoa. Marihana fa mifanindran-dalana amin’ity hetsika amin’ny alina ity, ny fisavana sy fampanajana ireo fepetra fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid-19, amin’ireo fiara fitanteram-bahoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici