- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversFifamoivoizana eto Tanà : « Embouteillage » be ny asabotsy teo

Fifamoivoizana eto Tanà : « Embouteillage » be ny asabotsy teo

Iray andro maninjitra ny fitohanana…

Niraikitra tanteraka ara-bakiteny. Izany no nanjo ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra ny tontolo andron’ny asabotsy teo. Ny antony dia ny fisian’ny kamiao iray mpitatitra solika izay simba teo ampovoan-dàlana teo Ankorondrano mihazo an’Ivandry ary tsy afaka nihetsika intsony. Vokany dia tapaka ny làlana ary nikatso avokoa teo amin’ny manodidina izay nihitatra erak’Antananarivo tao anatin’ny fotoana fohy monja. Teo koa vao nahatsikaritra izay nahita fa arabe iray izany no tapaka eto an-drenivohitra dia tsy afaka handehanana intsony ny ambiny rehetra satria mitohana. Nijery fotsiny sisa ny polisy, tsy nisy azony natao intsony. Mendrika hangalàn’ny mpitantana lesona iny tranga tamin’ny asabotsy iny. Toa ny hoe tokony hasiana fanaraha-maso haingana ny arabe rehetra ka raha vao misy fiara simba dia midina an-tsehatra ny mpanisaka izany. Midika koa izany fa misy fitoavana efa tokony mba mifanandrify amin’izany. Kivy tanteraka ny mpampiasa làlana ary tao aza ny nitady hasiana fiara na moto dia lasa nandeha an-tongotra. Mila fandinihina lalina ity fitohanana eto an-drenivohitra ity satria misy akony amin’ny toe-karen’ny tsirairay sy ny fahasalamana. Sempotra Antananarivo kanefa hatreto dia mbola samy mamoaka fiara ihany izay manana izany, eny fa na olona iray monja aza ny ao anatiny. Tsy misy rahateo ny fanentanana ny olona mba handeha an-tongotra na ny famerana ny isan’ny fiara mivezivezy. Vokany dia samy miraikitra isan’andro eo ary samy miaritra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici