Polisy 165 nahavita fihofanana manokana momba ny fifamoivoizana andenivohitra no tsy miaintsy handray asa mifandraika amin’izany manomboka ny fiandohan’ny herinandro ho avy izao. Mahasehaka ny sehatra rehetra eo anivon’nuy polisim-pirenena ireo mpiofona. Araka ny fanambaran’ny lehiben’ny fampifoanana, ny commissaire divisionnaire de police Ranjavalolona Julie Claudettenandritra ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ity fanofanana ity teny amin’ny toby Antanmora , natao izao fampivondronana fanamafisam-pahalalana sy fahaiza-miasa izao mba ho fampiharana ny vina izay napetraky ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mifanojo indrindra amin’ny veliranon’ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Ity farany izay mikendry ny hamerenana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny Firenena ao anatin’ny fotona fohy. Ezaka lehibe tsy maintsy atao ao anatin’izany ny ady amin’ireo olana mety sy tsapa fa manelingelina ny fiainam-bahoaka ka tsy ahatongavana amin’io tanjona io. Isan’izany ny kolikoly sy ny hanaovana rainazy eo amin’ny izay mahazo vahana amin’ny fanatanterana ny asam-panjakana. Ny ady amin’izay indrindra no nahatonga ny minisitera ny Filaminam-bahoaka nampano izao fihofanana izao, hoy ny Misisitry Filaminam-bahoaka raha nanome voninahitra ny famaranana ity fiofanana .ityn omaly. Nambarany fa manomboka izao, mino ny tenany fa tsy hisy intsony ny tsikera sy fanenjehana mahakasika ny fomba fiasan’ireo polisy misahana ny fifamivoizana amin’ny foma fiasan’izi ireo eny rehetra eny. Ireto farany izay nofaninana hampianatra, hanoro ary hanasazy ihany koa rahaireo mpampiasa lalana raha ilaijna izany,.
T.M.