Angidim-by no nitondrana ny vatana mangatsiaka an’Itpk Rakotonirina Alain Patrick, zandary “hors classe”, lavo an-tanim-piadiana tany Belo-sur-mer, distrika Morondava, ny talata lasa teo. Nampiakarina hihazo ny tobin’ny fari-piadiadin’ny zandary ao Fianarantsoa izany omaly. Tonga nanome voninahitra ny vata-mangatsiaka an’izany mahery fo izany moa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fibaikona ny zandary. Tonga manokana ihany koa nanatrika ny fanaovam-beloma farany izany, ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, narahin’ireo manamboninahitra isan-tokony avy, sivily sy miaramila. Marihana fa nasondrotra ho an’ny laharam-boninahitra zandary prinsipaly kilasy faharoa aorian’ny fahafatesana moa itompokolahy ary notolorana ny mariboninahitra “chevalier de l’ordre nationale”. Nandritry ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Ministra no nanehoany fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny maty ary mbola nanamafisany sy nanomezany baiko hentitra hanenjehana sy hanaovana hazalambo ireo nahavanon-doza. Tsiahivina fa ny talata teo no lavo, rehefa voatifitr’ireo andian-dahalo ity zandary ity. Nisy olona roa nalain’ny dahalo an-keriny tao anatin’izany fifandonana izany ary efa avotra avoko izy ireo, raha ny fampitam-baovao. Mbola mitohy foana kosa any an-toerana ny fanenjehana sy fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L