Milamina tanteraka amin’izao fotoana izao ny korontana tany Port Berger, izay nifandonan’ireo olona avy any Androy sy ny avy ao an-toerana. Manoloana izany indrindra, nidina ifotony ny avy amin’ny fikambanan’ny terak’Androy eto Madagasikara na ny FITEAM niara nidinika tamin’ireo sojabe sy ny mpitondra fanjakana tany an-toerana nitadiavana vahaolana ny amin’ny hisian’ny fiarahamonina mirindra sy milamina ary ny hisorohana ny fifandonana indray amin’ireo samy vahoaka. Anisan’ny hita tamin’izany ny fametrahana fifinramonina voarindra, ny olana eo amin’ny fananan-tany, ny fiarovana ny tontolo iainana tsara tantana ary ny fametrahana ny Malagasy rehetra mba hitovy zo avokoa. Nanindry ny seketera jeneralin’ny FITEAM, Ladilas Adrien Rakotondrazaka fa ny fampandrosoana ny any Atsimo no anisan’ny vahaolana. « Mila asa mba hampisy filaminana. Olona tsy an’asa voakarama ireny olona ireny. Ka raha efa misy ny tsirim-panantenana amin’ny fanaovan’ny Fanjakana laharam-pahalehana ny any Atsimo, toy ny ady amin’ny kere sy ny fananganana foto-drafitrasa », hoy izy. Manolonao ireo dia miantso ny rehetra ireto terak’Androy mba tsy ho any amin’ny korontana izay kasaina volena noho ny fanararaotana ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny vidin-tsolika. « Manana soatoavina isika ka samy hitandro izany, ka tsy ho voasarika amin’ny fanafintohinana ny hafa na ny avy amin’ny andaniny na ny ankilany », hoy ny fanamafisana.
Yv Sam