- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFifaninana hidirana ho polisy : Nivoaka omaly hariva ny valim-panadinana

Fifaninana hidirana ho polisy : Nivoaka omaly hariva ny valim-panadinana

Omaly hariva no nivoaka ny valim-panadinana handraisana mpianatra ho commissaire sy officier de police eny amin’ny sekoly ambony ny polisim-pirenena (ENSP) Ivato sy any amin’ny Sekoly manofana agent de police sy Ispecteur de police (ENIAP) Antsirabe. Efa azo jerena eny amin’ireo biraon’ny polisy (Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka, commissariat central, commissariat, sy ireo paositry ny polisy) ny lisitra mirakitra ny anaran’ireo izay afaka tamin’iny fanadinana farany iny. Arakany fanazavana dia niniana natao mihitsy ny hanaparitaka izao valim-panadinana izao amin’ireo toerana ireo mba hitandroana ny fepetra ara-phasalamana mba hiadiana amin’ity valanaretina Covid-19 ity, ka tsy hisian’ny fitangoronana eo amin’ireo izay tonga hijery izany. Marihina fa ireo izay afaka tamin’ity fanadinana ity, izay dingana voalohany ihany, dia mbola tsy maintsy hiatrika ny adina am-bava ao aoriana ao. Mbola hampafantarina ihany ny daty hananterahana izany.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici