Notanterahana omaly maraina teny amin’ny Toby Ratsimandrava, ny fitsidihana arak’asa, notanterahin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard ny zandarimariam-pirenena. Nandray azy tamin’izany moa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Serge Géllé, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony isanisany eo anivon’ny zandary. Mpirahalahy mianala ny zandary sy tafika hoy ny minisitra, nandritry ny lahanteny ary samy mitovy tanjona dia ny ho an’ny Tanindrazana. “Etsy andanin’izay, ny zandarimariam-pirenena dia manana ny rantsany manokana eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena ary adidiko ihany koa araka izany ny mijery izay zava-misy ato anatin’ny zandary ary mijery ireo olana izay mety ho sedrain’ny zandary eny am-panaovana ny asany eny” hoy hatrany izy. Izay indrindra moa no anton’ity fitsidihana arak’asa ity, raha ny fanazavana azo. Taorian’ny firesahana tamin’ny mpanao gazety araka izany dia nisy ireo dinik’asa isan-karazany izay nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitra isanisany misahana ny fibaikona eo anivon’ny zandary.
Fa ankoatr’izay, fotoana iray ihany koa ity omaly ity, nitsidihan’ireto tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Tafika sy ny Zandary ireto, ny fitsaràna ireo taratasim-panadinana ho amin’ny fifaninana hidirana ho zandary. Navantana etsy amin’ny Toby Ratsimandrava izany ary ao ihany koa no hanaovana ny fitsaràna. Mpampianatra maromaro notsongaina manokana sy nahafeno fepetra no manao izany eny an-toerana. “Ny asa maha zandary dia ilàna fahaizana sy fahalalana tokoa ka manan-danja tokoa izao fitsarana ao anatin’ny mangarahara izao”.
m.L