- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFifaninana savika : Lehilahy iray maty voatoton'omby

Fifaninana savika : Lehilahy iray maty voatoton’omby

Hatairana hatrany ny nahitan’ireo olona an’ilay lehilahy maty voatoton’omby nandritra ny lalao Savika, tao Ambibaka, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny andron’ny Alatsinain’ny paska teo. Raha ny fampitam-baovao voaray, dia olona iray no matin’ny omby tao anatin’ny lalao Savika, ny tokandron’io andro voalaza etsy ambony io, tokony ho tamin’ny 04 ora sy 40 minitra tany ho any. Ny Zandary sendra nanao fanaraha-maso, teny amin’ny toeram-pitsangatsanganana tao Ambibaka no nahazo fampilaza fa nisy mpandray anjara tamin’ny lalao Savika no naratra, ka noentina tao amin’ny CSB II Andriba. Raha iny vao tonga tao amin’ny CSB II iny, ireo mpitandro ny filaminana, dia efa vatana tsy misy aina an’ Itompokolahy Philippe Edmond tazan’izy ireo. Taorain’izay no nandray fepetra ny Zandary, ka nisamborina avy hatrany ny mpikarakara lalao Savika, ary noentina natao famotorana sy fanadihadiana ao amin’ny borigadin’Andriba. Marihina fa efa nahazo fahazoan-dalana avy ao amin’ny  » Prefetiora eto Maevatanàna moa ny fanatanterahana ity lalaon-drazana ity. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra, fa manambady vita fomba Malagasy sy manan-janaka telo (03) ilay maty voatoton’omby.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici