Hotontosaina amin’ny faha- 15 sy 16 novambra 2014 ny fifaninanana handraisana polisy miisa 650. 20 ny eo amin’ny sokajina mpianatra ho “commissaire de police”, 30 ny eo amin’ny sokajina mpianatra ho “officier de police”, 100 ny eo amin’ny sokajina mpianatra ho “inspecteur de police” ary 500 ny eo amin’ny sokajina mpianatra ho “”agent de police”.
Manamarika ny minisitry ny Filaminam-Bahoaka Randimbisona Blaise Richard fa fanadinana madio sy mangaraharaha no atao ka izay mahay ihany no ho afaka. Noho izany, mba hampisy ny mangarahara eo amin’ity fanadinana ity, dia hisy ny fifanaovan-tsonia hotanterahina anio alakamisy 09 oktobra 2014 eo amin’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-Pirenena (D.G.P.N) andaniny sy ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Miady Amin’ny Kolikoly ( BIANCO) ary ny Tale Jeneralin’ny Asa sy ny Asam-Panjakana (DG FOP) amin’ny ankilany, izay hatao ao amin’ny Biraon’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-Pirenena Anosy, manomboka amin’ny 10 Ora.