Eo anatrehan’ny resaka mandeha mikasika ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho polisy izay hotanterahina ny faha-15 sy faha-16 novambra 2014 ho avy izao, manao fanambarana ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka fa tsy misy vola aloa afa-tsy ny « droit d’inscription » izay voalaza ao amin’ny didim-pitondrana navoakan’ny ministera. Efa misy banky voatondro handoavana izany. Ny minisitera dia tsy tompon’andrikitra amin’izay mandoa vola hafa ivelan’izany. Hosaziana izay tratra. Fantatra mantsy, hoy ny vaovao nampitaina, fa misy ireo olona maka vola amin’ny anaran’ny mpitantana eo anivaon’ny minisitera.
Fifaninanana hidirana ho polisy : Tsy misy vola aloa afa-tsy ny « droit d’inscription »
Articles qui pourraient vous intéresser