Etsy amin’ny Fjkm Betafo Fanavaozana Ambohimanarina no hatao rahampitso alahady 3 aogositra 2014 manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny famaranana amin’ny fifaninanana mihira ny hira ao anatin’ny Fihirana FFPM nokarakarain’ny Synodamparitany Fjkm Antananarivo Andrefana (SPAA 10). Enina ireo mpandray anjara hiatrika izany : Orima sy Tomima (Fjkm Ambatolampy Antehiroka), Antoko Mpihira Fjkm Amboninampamarinana, Onjam-Peon’i Marovatana (Fjkm Ambohidratrimo Marovatana Fanavaozana), Antoko Mpihira Ambohitrinibe Fahazavana, Feon’ny Famonjena sy ny Sampana Fifohazana Fjkm Mahitsy Famonjena. Amin’io fotoana io ihany koa no hiangalian’ny Feo Kanto antema vitsivitsy. « Hihira ho an’i Jehovah aho raha mbola velona koa » (Salamo 104/33)
H.R.